Lalao Olympika Paris 2024

Tena mbola mila ezaka be ny


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2024

malagasy TSY MISY FAHAGAGANA IO

Tsy misy fahagagana marina izany Lalao Olympika izany.Mbola nanamarina izany sabotsy teo i Holy Antsa Rabejaona teo amin'ny 50 m NL sy Rija Vatomanga Gardiner teo amin'ny 100 m. Mba tsy gisitra tao amin'ny Vondrona nisy azy i Gardiner raha nahavita ny 100 m tamin'ny fotoana 10 seg 82. Ilay Maorisianina tao aminy anefa ny voalohany ary tafita amin'ny dingana faharoa raha nahavita ny hazakazaka tamin'ny fotoana 10.27.Teo amin'io 100 m io anefa efa 50 taona lasa izay no nanaovan'i Jean Louis Ravelomanantsoa 10 seg 18.Fahafito tao amin'ny vondrona nisy azy kosa i Holy Antsa Rabejaona raha nanao 27 seg 12.Nohatsarainy izany ny zava-bita tsara indrindra izay azy ihany dia ilay 27 seg 29 tany Maorisy.Mba izay aloha na dia miharihary aza fa mbola tena lavitra ny ezaka satria ilay voalohany tao amin'io vondrona io izao dia nanao izany 26 seg 26.
MILA MIOMANA DIENY IZAO
Tsy midika anefa izany fa tsy tokony hiofana any ivelany i Holy Antsa Rabejaona sy Tendrinavalona Idealy raha tsy hijery afatsy ny lomano vehivavy fa tena mila manohy ary dieny izay fa tsy hiandry 2027 raha te handray anjara amin'ny Lalao Olympika any Los Angeles.Tsy ny lomano ihany anefa hitadiavana lalana fa ireo heverina ho lasa lavitra amin'ny taranja rehetra. Ny tena akaiky indrindra izao dia ny basikety 3x3 lehilahy.
TARANJA HAFA
Fa mila mitrandraka koa any amin'ny taranja hafa toa ny tennis ambony latabatra. Misy koa ireo taranja vaovao izay mety ho hain'ny tanora malagasy toa ny BMX, ny skate ary ny mihanika rindrina. Raha tafita moa ny tsipy kanetibe dia mazava ho azy fa malalaka ny lalana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT