Lalao Olympika 2024

Hiakatra rahampitso i Rosinah sy Sidonie


  • Talata 06 Aogositra 2024

Tonga ny fotoana ho an'i Rosinah Randafiarison mpibata fonjamby sy Sidonie Fiadanantsoa

eo amin'ny hazakazaka 100 m misy fefy.Samy manodidina ny amin'ny 11 ora any an-toerana no hiakatra izy mirahavavy izay tena mba mahavelo-panantenana na dia tsy ho tonga any amin'ny medaly aza.I Rosinah izao dia efa tompondaka lefitra eran-tany saingy tsy misy ny sokajy latsaky ny 45 kg nahazoany izany dia ao amin'ny latsaky ny 49 kg izy no misehatra amin'ity Lalao Olympika 2024 ity. Ho mafy ny ady noho izany satria raha 170 kg ny azy ny totaly olympika dia efa maro ireo mahazaka 200 kg ao anatin'io sokajy io. Tsy afaka miandrandra medaly izany aloha hatreto saingy fantatra ny fahavononany sy ny ezaka atao dia mety manatsara ny zava-bitany tsara indrindra ity kely madity ity. Toa izany koa ny tanjona ho an'i Sidonie Fiadanantsoa satria tsy maintsy hiezaka aloha izy hanohy amin'ny dingana faharoa. Ary mety ho hioharany koa ny zava-bitany tsara indrindra satria izay ilay lalao. Mahavita miady raha i Sidonie ary izay toe-tsaina izay no isan'ny nandrombahany ny medaly volamena tany amin'ny Lalaon'ny Frankofonia farany tany Lagos. Rahampitso isika mahita azy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT