Sport

Lalao Olimpika – Pyeongchang 2018 Atleta 2975 no hifaninana


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Pyeongchang,Korea atsimo ny lalao olimpikan’ny ririnina andiany faha 23.

Mampiavaka azy ity ny fitambaran’i Korea roa tonta any anatin’ny lalao Hockey sur glace sy ny fiarahan’ny delegasionin’ny roa tonta nilahatra nandritra ny lanonam-panokafana.Miisa 92 ny firenena mandray anjara amin’ity lalao ity ka anisan’izany i Madagasikara; mahatratra 2925 kosa ireo atleta hifaninana amin’ireo taranja 15 ary 102  ireo medaly volamena ho zaraina.Ity no lalao olimpika amin’ny andro ririnina nahitana mpandray anjara betsaka indrindra hatramin’izay.

Etazonia

Lany ihany ny lalàna momba ny tetibola

 

Anisan’ny nananosarotra ny fandaniana ny tetibola 2018 tany Etazonia izay nampitotongana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Lany omaly zoma 9 janoary ihany teo anivon’ny kongresy sy ny antenimierandoholona sy ireo solontenam-panjakana tamin’ny isam-bato 240, raha 186 ireo nitsipaka ilay izy. Tafiditra ao ny fanatontosan’i Donald Trump ireo nampanatenainy ny vahoaka Amerikanina tamin’ny fampielezan-kevitra sy ny hanampiana an’ireo tanàna ravan’ny rivodoza sy ny doro tanety tamin’ny taona 2017. Matevina ihany koa ny tetibola natokana ho an’ny tafika sy ny fiarovana ao anatin’izy ity.

MACRON SY POUTINE

Nisy ny fifampiresahana an-telefaonina teo amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy i Vladmir Poutine ny zoma teo ka anisan’ny anton-dresaka tao ny fitsidihan’ny filoha frantsay an’i Rosia , ny momba ny Trianon na ilay fifampiresahana eo amin’ny fiarahamonim-pirenena Frantsay sy Rosianina natomboka tamin’ny volana desambra 2017 ; noresahana ihany koa ny momba an’i Ukraine sy ny raharaha any Syria ary ny toe-draharaha iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny. Nitondra lohahevitra maromaro ihany koa amin’ny zava-misy eo amin’ny roa tonta, ary ny fandraisana anjaran’ny filoham-pirenena Rosianina amin’ny Atrikasa ara-toekarena any Saint-Pétersbourg izay hotontosaina amin’ny volana mey. 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT