Lalao Olimpika

Mahagaga ny tsy maha lany ny tsipy kanetibe


  • Talata 03 Septambra 2024

Tena mifono misitery ny tsy maha lany ny tsipy kanetibe ho isan'ireo taranja hifaninana

amin'ny lalao olimpika.Ny lalao ataon'ny olona manana fahasembanana aminizao fotoana izao any Paris dia manome vahany Boccia izay mampiasa kanetibe koa.Inona izany no sakana tsy mahatafiditra ny tsipy kanetibe nefa mety telo andro raha be indrindra dia vita ny fifaninana.Tena misy zavatra hafahafa ary mampanotany tena hoe sao dia ny filohan'ny federasiona iraisam-pirenena Claude Azéma ary tena tsy izy.Ity anefa no taranja mety ahazoan'i Madagasikara medaly voalohany.Tokony mba misy firenena maromaro izany manosika ny tsipy kanetibe.Mety tsy dia haon'iteo firenena lehibe toa ny Etazonia sy Sinoa ary Anglisy angamba dia zaran'izy ireo aza tsy misy.Nefa anie ny taranja hafa heverina tsy dia betsaka milalao aza tafiditra toa ny mihanika rindrina, ny Skateboard ary ny BMX. Hafahafa a.
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT