Sport

Lalao Olimpika - Korea Atsimo Tafita hiatrika ny “Slalom dame Run 1” i Mialitiana anio zoma


  • Zoma 16 Febroary 2018

Laharana faha-48 tamin’ny mpifaninana niisa 58 nahavita ny fidinana roa hatramin'ny farany i Mia na Mialitiana Clerc (dossard 66), ilay teratany Malagasy vao 16 taona monja, teo amin’ny fifaninanana ski « salalom Géant » notontosaina tany Pyeong Chang tany Korea Atsimo omaly alakamisy 15 febroary 2018.

 

Nanatsara ny fotoana vitany 5 segondra latsaka kely izy teo anelanelan'ny fidinana voalohany sy faharoa. Marihana fa nahatratra 81 ireo nandray anjara tamin’ny fiaingana tamin’ity fifaninanana ity.  Anisan’ireo mpifaninana hiatrika ny fifaninanana Slalom Dame Run 1 izy anio zoma 16 febroary 2018 ka hitondra ny “dossard 60”.

Zaza Malagasy sahirana natsangan’ny teratany Frantsay mivady, Stéphane sy Sylvie Clerc, teo amin’ny faha-1 taona sy tapany i Mia ary nentin’izy ireo nipetraka tany Frantsa sy nampiangaliany ny taranja Ski Alpin teo amin’ny faha-3 taonany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT