Lalao Olimpika 2024

Nikatona ny pejy ho an’ny Malagasy


  • Zoma 09 Aogositra 2024

Zay koa no vita ny amin'i Rosinah Resy ary laharana fahafolo amin'ny 12 nandray

anjara i Rosinah Randafiarison ny alarobia teo. Resy nefa na izany aza mbola mendri-piderana izy satria nanao zava-bita tsara indrindra sady mbola tsara indrindra aty Afrika ihany koa. Nahavita 80 kg iay teo amin'ny arraché ary 100 kg teo amin'ny épaulé jeté. Ireo izany no manome ny totaly olimpika 180 kg. Tena tsara izany saingy i Rosinah anie dia voatery niakatra sokajy 49 kg satria tsy nisy ilay 45 kg nahatonga azy ho tompondaka lefitra eran-tany. Raha tsorina izany dia tokony mba jerena manokana i Rosinah Randafiarison sy Holy Antsa Rabejaona noho izy ireo nanoratra ny zava-bitany tsara indrindra eto Madagasikara ary mbola Afrikanina koa aza eo amin'ny fibatana fonjamby. Tsy mitovy amin'ireo dimy izy ireo ary manatombo kely aza i Sidonie Fiadanantsoa izay nihazakazaka fanindroany na dia hoe fanavotana aza. Izay aloha izany no vita fa apetraka amin'ny fanjakana ny tohiny raha mieritreritra haka medaly any Los Angeles amin'ny 2028. Ny tsara faka tahaka ka na ny Frantsay heverina ho lafatra aza dia mbola tany Etazonia no nanoman-tena i Léon Marchand sy Teddy Riner izay andrarezina ho azy ireo. Izay no lesona azo tsoahina. Ny hany fantatra hatreto dia nanao famaranana ny Frantsay teo amin'ny basikety 3x3 nefa dia mbola nisy tamin'ireo mpilalao ireo no efa resin'i Deda Randrianarivelo sy ireo mpilalaony tany Serbia. Raha mba nanohy kely izany isika mety mba tonga hatrany amin'ny ankatoky ny famaranana. Tena marina.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT