Lalao Olimpika 2024

Atleta 7 no hisolontena an'i Madagasikara


  • Zoma 31 Mey 2024

Efa tokony ho fantatra ireo atleta fito handrafitra ny delegasiona malagasy any amin'ny Lalao Olimpika any Paris.

Efa tafita mivantana ny telo dia i Fabio Rakotoarimanana eo amin'ny tennis ambony latabatra, Laura Rasoanaivo eo amin'ny judo ary Rosina Randafiarison eo amin'ny fibatana fonjamby. Miampy roa avy amin'ny lomano nahazo fanasana manokana ireo raha tsy miova amin'ny ora farany dia i Jonathan Raharvel ary i Tendronavalona Idealy. Voalaza ny tsilian-tsofina re aza fa ity farany ity no hitondra ny saina. Voninahitra ho an'Antsirabe iray manontolo izany safidy izany efa ny any Betafo aza satria fony mbola kely i Tendry dia izy no nitokana ny dobo filomanosana ao Andranomafana Betafo izay mirefy 25m. Rava ny sikilaonina Ava moa ity Riverside ity dia tsy tafarina intsony na dia nisy aza fampanantena fiaraha-miasa nataon'ireo minisitry ny Fanatanjahantena nifandimby satria dia efa tao ireo mpilomano teto Vakinankaratra no nanao fanazaratena. Efa nanao fifaninana tao koa aza ny triathlon. Ny avy amin'ny atletisma no roa farany mameno ny atleta ho fito. Ary tsy misy fahagagana izany fa tsy maintsy ho lasan'i Sidonie Fiadanantsoa (100m misy fefy) sy Claudine Nomenjanahary (100m) raha tsy hoe angaha naratra izy mirahavavy ireto. Ny tokony hifaninana aminy mantsy toa zary lehilahim-bomanga ihany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT