Lalao olaimpika

Mitarika amin’ny medaly volamena ny Japoney


  • Alarobia 31 Jolay 2024

Ny Japoney hatry ny omaly no mitana ny laharana voalohany amin’ny fandrombahana medaly

eo amin’ny Lalao Olaimpika Paris 2024. Ny medaly volamena no tena hamaritana ny filaharana, ka hatramin’ny takarivan’ny omaly 30 jolay amin'ny 20:00, dia 13 ny fitambaran'ny medaly 13, ka ny no 7 volamena (3 tamin'ny judo, 2 amin'ny skateboard, 1 tamin'ny escrime ary 1 amin'ny gymnastique artistique). Manaraka azy amin’ny medaly i Chine nahazo 14, ka ny 6 no volamena (3 tamin'ny tir, 2 tamin'ny plongeon ary 1 tamin'ny tennis de table). Mitana ny laharana fahatelo kosa i Lafrantsa mpampiantrano izay nahazo medaly volamena 5 izay iray avy tamin'ny canoë-kaya, cyclisme, escrime, natation ary rugby à sept). 8 ny medaly volafotsy ary 4 medaly alimo ho an’ny Frantsay. Any amin’ny laharana faha-6 kosa vao tazana i Etazonia izay nahazo medaly betsaka indrindra hatreto satria mahatratra 21 saingy 3 amin’ireo ihany no volamena, 8 volafotsy ary 10 alimo. Tsara ny manamarika fa i Etazonia no manana atleta betsaka indrindra mandray anjara satria mahatratra 592, faharoa i Frantsa 573, Australie 460, Allemagne 427, Japon 404, Italie 403, Chine 388, Espagne 482, Grande Bretagne 327, Canada 318. Ireo no 10 voalohany amin’ireo Firenena 205 mandray anjara, ary maherin’ny 10000 ny mpifaninana.
ENCADRE
Ho antsika Malagasy raha tsiahivina dia 7 ny solontena, ny 2 efa raraka. Hiakatra an-kianja anio 31 jolay amin’ny 11ora i Laura Rasoanaivo solontenantsika sady solontena Afrikanina, ka teratany Britanika Katie Jemima Yeats Brown no hifanandrina aminy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT