Lalao olaimpika

Mafana ny fifaninana ara-medaly eo amin’i Etazonia sy Chine


  • Alarobia 07 Aogositra 2024

Mitohy ny fifaninanana tsy mitsahatra amin’ny fandrombahana medaly eo amin'ny Etazonia sy Chine.

Niverina eo amin'ny laharana voalohany ny Amerikanina amin'ny medaly volamena 22 sy volafotsy 30 ary alimo ka manome 81 ny totaliny, saingy ny volamena no tena mamaritra ny filaharana. Faharoa i Chine izay 22 ihany koa ny medaly volamena, 20 medaly volafotsy, ary 15 alimo, manome 57 ny totaliny. Ny Aostralianina kosa no lasa fahatelo izay manana medaly volamena 14, arahin’i Frantsa mpampiantrano 13, Royaume-Uni 12, Korea Atsimo 11, Japana 11, Italia 9, Pays-Bas 8 ary Allemagne 7 no mamarana ny folo voalohany. 74 ny firenena nahazo medaly farafahakeliny tamin'ny Paris, 47 no nahazo medaly volamena. Ho an’i Afrika, dia medaly 13 teo aloha hatramin’ny omaly tolakandro, ka nahazo volamena iray avy i Afrika Atsimo, Kenya, Algerie, ary Ouganda. Ny Vondrona Eoropeanina kosa raha atambatra dia 176 medaly hatry ny omaly. Raha ny mikasika an’i Madagasikara, dia tsiahivina hatrany fa anio no hiaka-tsehatra ireo atleta roa farany dia i Rosinah Randafiarison eo amin’ny fibatana fonjam-by sy Sidonie Fiadanantsoa eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy. Ho an’i Rosinah manokana dia ny sokajy -45kg no nanavanana azy sy nibatany fandresena maro taty Afrika, saingy tsy misy an’io sokajin-danja io any amin’ny lalao olaimpika fa ny -49kg ka ho henjakenjana ny miandry azy. Tsy mora ihany koa ny miandry an’i Sidonie ho an’ny hazakazaka 100m. Ny irariana anefa dia afaka ny hanoratra tantara eo amin’ny amin’ity lalao olaimpika any Paris ity ireto solontena Malagasy roa farany tamin’ireo mpandray anjara 7 nisolo tena an’i Madagasikara ireto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT