Nanamafy ny fandraisana an-tànana ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra sokajy U20 sy U23 ny UNIFICASM (Union des Footballeurs Internationaux et Cadres Sportifs Malagasy),
izay miara-miasa amin’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF). Nampahafantarina teny amin’ny Foiben’ny FMF ny sabotsy lasa teo izany. Hanomanana ireo taninketsan’ny ekipam-pirenena no tanjona ao anatin’izany, ka ity Fikambanana izay miorina any ivelan’I Madagasikara ity no handray an-tànana ny fanomanana sy fampivondronana ireo mpilalao tanora handrafitra ny ekipam-pirenena. Isan’ny tanjona ny fanomanana ny Lalao Olaimpika 2024 sy ny fiadiana ny amboara eran-tany 2026 any Amerika. Voalaza fa hisy ny fampivondronana in-telo ahafahana mamoaka ireo mpilalao tena mahay. Hisy an’izay any ivelany, ary ho an’ny eto Madagasikara, dia hisy ny teknisianina hiara-hiasa amin’ny Fikambanana hitily ny mpilalao eto, ka ireo 25 tsara indrindra voafantina dia hatambatra amin’ireo mpila ravinahitra, ary ireo no handrafitra ny ekipam-pirenena U23. Rah any resaka mandeha efa andro maromaron izao, dia voalaza, fa hisy ny lalao fitsapana hifanandrinana amin’ny US LUSITANOS any Frantsa ny sabotsy 13 novembra ao amin´ny kianjan´ny Chéron Saint-Maur, France. Isan’ny voalaza fa manampy amin’ny fanatanterahana sy fanomenana ireto ekipam-pirenena UNIFICASM. Saika mpilalao avy any ivelany 100% kosa ny ao anatin’ity lisitra ity, izay maneho ny fananantsika mpilalao maro mbola tanora, kanefa efa manana toerana amina ekipa goavana ny ankamaroany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.