LALAO OLAIMPIKA 2024

Mandeha ny fivoizana fa hisy aza fampihorohoroana…


  • Alarobia 05 Jona 2024

Iray volana sy tapany mialohan’ny hanombohan’ny lalao olaimpika hatao any

Paris renivohitr’i Lafrantsa ny 26 jolay-11 aogositra, tondroin’ny orinasa Amerikanina Microsoft sy ny Ivon-toerana manokany mpanao fitsirihana MTAC (Centre d’analyse des menaces) ho mamafy serasera hanakiaviana mba hiakaran’ny tahotra amin’ny mety hisian’ny asa fampihorohoroana mandritra ny any Paris ny Rosianina, amin’ny alalan’ireo « groupes d’influences » Storm-1979 sy Storm-1099 izay mifandrohy amin’ny fampiasana ny IA (Intelligence Artificielle) tranainy, ampiasaina hanaovana zavatra tsy manjary. Misy ny fanapariahana horonan-tsary fitaka hoentina mampihorohoro amin'ny alalan'ireo, ka ny iray dia voalaza fa efa niditra tao anatin’ny vaovao nokirakirain’ny France 24, ka nilaza fa 24% amin’ny tapakila efa lafo no naverin’ny mpanjifa noho ny tahotra hisian’ny fampihorohoroana, hoy ny fampahalam-baovao vahiny samihafa omaly. Vokany, mailo ary mampiasa teknolojia samihafa toy ny "robot" i Lafrantsa eo anatrehan'ny resabe miely sy ny mety ho ambana, izay tsy azo hamaivanina. Ady fiady ihany koa moa ny an’ny tandrefana sy ny Rosianina, izay nifandolo hatry ela indrindra taorian’ny adin’i Ukraine, izay niteraka fanamafisana ny sazy ho azy ireo tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena samihafa. Ho antsika Malagasy, dia 3 hatreto ireo efa nahazo ny tapakila hiatrika ny lalao olaimpika dia i Fabio Rakotoarimanana eo amin’ny taranja tennis ambony latabatra, Laura Rasonaivo ho an’ny taranja judo, ary Rosina Randafiarison eo amin’ny fibatana fonjamby.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT