Lalao Olaimpika 2024

Any Paris ny mason'ny rehetra


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

tsy mba anaty kianja no hanaovana izany fa eny amoron-dranon'ny La Seine ao Paris. Efa any an-toerana daholo ny mpandray anjara ary isan'izany i Madagasikara izay ahitana ireo atleta fito hotronin'ny mpanara-dia marobe izay saika mpikambana anatin'ny Komity Olympika Malagasy miampy ireo olona akaiky ny filoha Siteny Randrianasoloniako ka isan'izany ilay mpanao judo tranainy Ashik Houssen izay nolazaina tany am-boalohany fa hanazatra an'i Laura Rasoanaivo kanjo tsy nanaiky ity farany ka nitaky an'i Mamy Randriamasinoro izay nanaraka azy hatrizay. Tena lasa lavitra ny resaka ka nanaiky ihany ny KOM ny hampiditra ity filohan'ny AS St Michel ity ao anaty delegasiona saingy tsy voafaritra na ahazo hiakatra kianja izy na tsia satria tokoa mantsy efa voalahatra mialoha ny anjara asa hoan'ny rehetra. Efa nisy taranja efa nanomboka omaly moa toa ny baolina kitra sy ny handball fa ny ankamaroany dia ny sabotsy vao hiakatra sehatra. Ny azo lazainy dia efa tafiditry ny politika lalina ity Lalao Olimpika ity ka miteraka fizarazarana.Tsy nahazo nandray anjara izao ny Rosianina nefa dia tonga any ny avy any Israely saingy nohamafisina ny fiambenana ny delegasiona. Samy namono olona anefa na ny andaniny na ny ankilany. Ohatry ny misy mizana tsindriana ila nefa lalao no hatao.Tsy misy inoninona afaka hatao anefa fa izay tian'ny Frantsay ihany. Ny antsika malagasy aloha dia tena mba mivavaka mafy mba hitondra na medaly alimo mody aza.Raha ny tombatombana mantsy dia tsy dia lavitra an'ireo sangany anatin'ny vondron-danja misy azy na i Rosinah Randafiarison, mpibata fonjamby, eo amin'ny sokajy -47 kg na i Laura Rasoanaivo (-70 kg). Enga anie !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT