Sport

Lalao hifaninanan’ireo ministera Ho avy koa ny fanorona, ny katro ary kabary


  • Zoma 22 Febroary 2019

Hampidirina holalaovin’ireo mpiasam-panjakana ara-dalàna ao anatin’ny fanatanjahantena karakarain’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires ) ihany koa manomboka izao ny katro sy ny fanorona ary ny kabary.

 

 

 

Toraka izany koa ny jeux d’échecs izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika sady manampy amin’ny fanitaran-tsaina. Eo am-panomanana ny fanokafana ny  fotoam-pilalaovana manaraka ny Asief ankehitriny taorian’ny  fiavian’ny rotsak’orana, raha araka ny fanazavan’ny  sekretera keneraliny Atoa Andriamiarana Tahiana Valohery. Misy ny fanofanana ireo mpampiofana  tanterahin’izy ireo isaky ny minisitera tsirairay avy  hiarahany miasa amin’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Tanjon’ny ASIEF moa ny hahafahana mamantatra marina ny isan’ireo mpiasam-panjakana tena izy isaky ny minisitera iadiana amin’ireo mpiasam-panjakana matoatoa. Toraka izany koa ny hitaizana azy ireo anaty fanatanjahantena hananany vatana tomady sy  saina matsilo. Mahatratra 18 hatreto ireo lalao ara-panatanjahantena karakarain’ny Asief, anisan’ireny ny tsipy kanetibe, ny belôty, ny basket…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT