Sport

Lalao goavana anio Harapaky ny Barea koa i Tonizia…


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Ora sisa isaina dia ho raikitra ny fifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara amin’ny Eagles de Carthage Tonizianina manomboka amin’ny 10 ora alina,

 

 

 

 hiady ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manasa-dalan’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika na ny “CAN 2019”. Ambony ny finoana sy ny fanantenan’ny ekipam-pirenentsika ary vonona tanteraka handrapaka sy handavo ny mpifanandrina aminy. Ho an’ny mpanazatra Nicolas Dupuis, efa nambarany fa aleony kokoa mifanandrina amin’i Tonizia toy izay i Ghana. Efa niomana sy nitsirika ny fomba filalaon’ny mpifanandrina izy ary tena vonona tanteraka tamin’ny paikady manokana hahafaha-mandavo ny Tonizianina, izay tsy arakaraka ny maha laharana faha-2 azy eto Afrika sy faha-25 maneran-tany satria ady sahala telo no niakarany tamin’ny dingana ampahafavalon-dalana. Lalao hafa mihitsy ny anio mitaha amin’ireo mpifanandrina 4 teo aloha satria sambany isika no hifampitady amin’ny Magrebianina, izay somary mampiasa kokoa ny tranonkala hafetsifetsena fa tsy angovo be tahaka ireo mpifanandrina teo aloha. Nanana tombony 24 ora tamin’ny fialan-tsasatra sy fiomanana isika. Raha ny fanadihadiana nataon’ny Canal+ Sport momba ity CAN ity, dia laharana faha-3 eo ny herijikan’i Madagasikara hahazo ny amboara maha tompondakan’i Afrika. Ny valin’ny fanadihadiana natao mantsy dia namoaka fa 33% ny herijika ho an’i Sénégal, 22% ho an’i Algérie, 19% ho an’i Madagasikara, 12% ho an’i Côte d’Ivoire, ary 7% ho an’i Nigeria. Tsy ao anaty kajy ny Tonizianina raha io fanadihadiana io. Fanambin’ny Barea ny hibata ny amboara, izany hoe hiezaka handingana an’io vinavina io, ka ho laharana voalohany fa tsy fahatelo velively. Ny hirariana dia handresy hatrany anio, hahafaha-manohy ny dia hatramin’ny farany. Feno ny fepetra hahafahantsika mibata mandresy anio satria vonona ara-batana, ara-teknika, paikady, ara-moraly, indrindra feno firaisam-po ny Barea sy ny Malagasy tsivakivolo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT