Sport

Lalao Foot ŕ 11 eny Ankadikely Famaranana 3 no hatolotry ny ASSCA Avaradrano


  • Zoma 10 Jolay 2015

Ho fararanon-dalao amin’ny baolina kitra indray eny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely ny sabotsy 11 jolay 2015 ho avy izao. Amin’io fotoana io no hanatanterahana ireo lalao famaranana tamin’ny foot ŕ 11 ho an’ny sokajy U 15,

 U 17 ary ny Sénior nokarakarain’ny Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano, tarihin-dRakotonirina Harison Philibert sy ny namany. Ny sabotsy 14 jona 2015 no saika hanatontosana an’ireo famaranana ireo fa noho ny fandaminana nisy teo amin’ny kaominina Sabotsy Namehana dia nitombo ny fotoana nanatanterahana ny fifaninanana. Teo ihany koa ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy ka ny tapaky ny volana jona manontolo dia maro ireo fikambanana samihafa nanatanteraka hetsika isan-karazany teo amin’ny kianja. Nanafatra ny mpikarakara faa aleo hajaina ny fitsipika mifehy ny fifaninanana ary aoka hanjaka tanteraka ny fifanajana ( FAIR PLAY ) eo amin’ny samy mpifanandrina.

Fandaharan-dalao :

Sokajy 15 taona:11h00 :3FA Avaradrano vs COUSIN Andrononobe

Sokajy 17 taona:12h30 :EZAMA Andrefan’Ambohijanahary vs LA FERMATA  Amboditsiry

Sokajy senior:14h30 :11 FRERES Ankadikely vs AUDI Antanandrano

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT