Hiditra amin’ny andro fahafito sahady ny fifaninanana foot à 11 karakarain’ny Amitie Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano ho an'ny sokajy 15, 17 taona ary ny senior sy ny véteran « COUPE DE NOEL 2015 » eny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely ny sabotsy 17 oktobra 2015 ho avy izao ka ny sokajy 17, 15 taona ary ny sokajy senior no hiakatra kianja amin’io fotoana io.
Nahazoana vokatra daholo kosa ireo lalao voalahatra nandritra ny andro faha-6.
Voka-dalao tamin’izany :
Sokajy 17 taona : FCE Ilafy V 2 - 0 RLA Anosy Avaratra ; FC VIVA Antehiroka 1 – 2 3FA Avaradrano.
Sokajy véteran : 3FA Avaradrano 1- 1 JSA Antanety Ankadikely.
Fandaharan-dalao amin’ny andro faha-7 :
Sokajy 17 taona : 08:30- IRFC Ilafy # MENDRIKA Ankadikely
Sokajy 15 taona : 09:30- FC VIVA Antehiroka # MENDRIKA Ankadikely
Sokajy senior : 12:30-FC VIVA Antehiroka # RED STAR Ankadikely ; 2:30- : 3FA Avaradrano vs IRFC Ilafy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.