Sport

Lalao fitsapana Barea ≠ Burkina-Fasso Miandry ny fankatoavan’ny FMF i Dupuis


  • Talata 15 Septambra 2020

Amin'ny fiantombohan'ny volana oktobra io dia hiezaka hampivondrona ireo mpilalao ny tenako hampanao « stage » sy lalao ara-pirahalahiana, hoy i Nicolas Dupuis Mpanazatra ny Barean’i Madagasikara.

 

 Nanolotra tolo-kevitra vitsivitsy ho an'ny Federasiona, ary miandry ny fanapahan-kevitra sy safidin'izy ireo. Nisaotra Comité Exécutif (CE) izay efa nanainky ireo hevitra narosony i Dupuis satria tsapan'izy ireo fa tena ilaina ny fampivondronana mialohan'ny lalao amin'i Côte d'Ivoire fa indrindra mba hisian'ny fahaiza-miaraka amin'ireo mpilalao vaovao, hoy izy. Ny 09 sy 17 novambra moa no hifandonan’ny Barea amin’i Côte d’Ivoire. Nambaran’io mpanazatra io fa raha ao anatin'ny herinandro iray no tafaraka manao fanazaran-tena miaraka dia efa zava-dehibe ao anatin'ny ekipa izany satria mba efa ahitana an'ilay « automatisme » eo amin'ireo mpilalao tsirairay avy. Ary farany, lafo sy sarotra ny fahafahana manao lalao ara-pirahalahiana, ary etsy andanin'izany mbola tsy azo hanatanterahana an'izany lalao izany ihany koa ny aty Frantsa satria mbola voarara, hoy izy. Noho izany dia mbola eo am-pitadiavana vahaolana izay zakantsika indrindra isika izao. Marina fa ny fiarahana amin'ny alalan'ny fampivondronana no zava-dehibe, fa raha iray na roa andro fotsiny kosa dia lasa mampametra-panontaniana…. Teo am-pamaranana no nilazan’i Dupuis, fa nifampiresaka tamin'i Burkina-Faso mba hanao lalao ara-pirahalahiana izay hatao any Portugal ny tenany. Efa noresahiko tamin'ny FMF ny momba an'izany koa dia eo am-piandrasana ny valin-teny avy amin'io rafitra io izany isika, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT