Sport

Lalao Fitaizam-batan’ny mpiasam-panjakana “Asief” Any Antsiranana no hanatanterahana ny andiany faharoa


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nikatona tamin’ny lanonana fizarana an’ireo medaly sy amboaran’ireo nandresy tao amin’ny Foyer des Jeunes Cité Canada tamin’ny sabotsy 6 oktobra teo ny lalao fitaizam-batan’ny mpiasam-panjakana “Asief”

andiany voalohany notontosaina tany Toamasina. Tsapa fa nihamatotra ny fifamatorana sy fifankatiavan’ireo mpiasam-panjakana nahatratra 9.000 tonga tany amin’ity renivohi-dRasaraka ity. Anisan’ny ezaka nimasoan’ny Asief tarihako, hoy ny filohany Botosera Jean Aimé “Jhon Love”, ny  hanafoana tanteraka ny fampiasana “mercenaires” amin’itony fifaninanana karakarainay itony ary azo ambara fa nahomby ny ezaka na dia mbola nahatrarana mpikarama an’ady niisa 120 ihany aza tamin’ity andiany voalohany notontosaina teto Toamasina ity izay efa nandraisana fepetra avokoa ny ekipa nisy azy ireo. Nomarihan’ity filohan’ny Asief nasionaly ity fa any Antsiranana indray no hanatanterahana ny fifaninanana Asief andiany faha-2 hotontosaina amin’ny taona 2019.

 Teo amin’ny vokatra dia nisongadina tamin’ny ankapobeny ny mpiasan’ny Trésor Public  nandrombaka medaly volamena 2 teo amin’ny taranja baolina kitra  sokajy mixte sy veteran mitambra raha nandresy 2-0 ny ekipan’ny Mjs. Mbola lasan’izy ireo ihany koa ny amboara sy medaly volamenan’ny taranja Volley-Ball mixte raha nandresy ny   Pbzt tamin’ny seta 3-0 ry zareo (27/25, 25/22, 25/20).

Vokatra famaranana basket  :  Sokajy jeune mixte : Mjs 77 – 70 Primature  ; sokajy vehivavy : Santé 51  - 43 Emgam   ;  Vétéran : Prm  72  -  66  Environnement

Baolina kitra : sokajy jeune : Pénitencier Toamasina  2 – 1 Croua Tanà ;  sokajy vétéran : Primature  2 – 1 Mdtsf (tirs au but)  ;  Commune Urbaine Toliara  2  -  1 Trésorerie Fianarantsoa

Hand-Ball : sokajy lehilahy : Douane Toamasina  21 -20  Mdn ; Sokajy vehivavy : Atsinanana  12 -  9 Toamasina

Rugby à 7 : Azon’ny Foction Publique ny medaly volamena

Savate Boxe Française : MinSanté nandrombaka medaly volamena 7

Boxe Anglaise :   Mjs nibata  medaly volamena 4

Karate : Medaly 7 no norombahan’ny Antenimiera Nasionaly

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT