Sport

Lalao fifanintsanan’ny CAN Voatazona ny ankamaroan’ireo tototanana


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Tsy dia nisy fahagagana fa tsy sahy nanala ireo sangany tao anaty Barea CHAN i Nicolas Dupuis. Izay koa no tokony ho izy satria tena ao amin'ny tanjany tsara ireo miaramilan'i Roro Rakotondrabe ireo.

I Rojo Be irery izay lasa any amin'ny Saint Pauloise no tsy ao voatazona ao izany. I Nina sy Joma samy mpiandry tsatokazo. Ao ihany koa izy efa-dahy vodilaharana ahitana an'i Tantely, Datsiry, Berajo ary Dadafara. Ny irakiraka indray no ahitana an'i Dax sy Lalaina. Asa aloha izay fomba handaharan'i Dupuis azy fa lasa ao koa i Tsiry sy Rakoul hany ka tonga 11 ireo irakiraka. Mbola tsy nisy an'izany hatramin'ny naha tany ny tany. Fa mety izay ko no nahafahana mampiditra kitoza mihantona toa and-ry Zotsara sy Bertrand. Ny mahafaly dia ny nahavoantso an'i Ando Pro ilay zandrin'i Bolida. Ouassero, Ibrahim Amada, Njiva ary Morel izay tonga hizara traikefa no manampy ireo. I Jean Yves no toto-tanana voatazona any aloha miaraka amin'iny tompom-baolina Hakim Abdallah sy Donisa. Tafiditra amin'ity sokajy farany ity i Melvin Adrien saingy ho hafahafa ihany raha hanajanona an'i Nina eo amin'ny seza toy ny tany Etiopia. Ouassero ary Morel sy Njiva no manampy ireo. Izay aloha no azon'i Dupuis atolotra dia ho hita. Ny fantatra satria izay no lalana mifehy ny baolina kitra dia ny hoe raha sanatria resy eo na ady sahala fotsiny aza dia vita ny an'i Vazaha Be.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT