Sport

Lalao famaranana Rugby à XV Malagasy Lasa ny mamba dia misosoka ny voay


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Nafana ny lalao famaranana ny fifaninanana rugby Gold Top 20-2019 sady fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy federaly 1

 

 

notontosaina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka tamin’ny alahady 9 febroary 2020 lasa teo ka nisian’ny fanakatonana ny vavahady fidirana tao an-kianja nialoha ny fanombohan’ny lalao nikatrohan’ny Cosfa Miaramila sy Tfa Anatihazo noho ny fahalanian’ny tapakila fidirana sy fahafenoan’ny toerana fijerem-baolina . Tsy ho latsa-danja fa azo antoka ny hiatrehana ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy federaly 2 hifanandrinan’ny fileovana Uasc Besetroka sy Mang’Art Manjakaray izay hialohavan’ireo lalao fiadian-toeran’ny sokajy federaly 2 sy federaly 1 miisa 3, mbola eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka hatrany amin’ny alahady 16 febroary 2020 ho avy izao. Tena lasa tokoa ny mamba dia misosoka ny voay araka ny fomba fitenenana Malagasy.

Fandaharan-dalao rehetra hatrehana amin’io andro io :

Fiadian-toerana faha-3 sokajy federaly 2

09:00-Fbm Bemasoandro # Soe Stade

Fiadian-toerana Top 20-2019

11:00-3Fai Vakinankaratra # Tfma Ankasina

Fiadiana-toerana faha-3 sokajy federaly 1

13:00-Ftm Manjakaray # Cnaps Matsiatra Ambony

Famaranana Federaly 2

15:00-Uasc Cheminot # Mang’Art Manjakaray

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT