Sport

Lalao famaranana Mondial 2018 Hifandona amin’i Frantsa i Croatie


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

I Croatie nandavo an’i Angleterre 2-1omaly alarobia 11 jolay alina tany amin’ny kianjan’i Loujniki any Moscou no hikatroka amin’ny telo soratra Frantsay eo amin’ny lalao famaranana amin’ny Mondial 2018 any amin’ity kianja ity ihany ny alahady 15 jolay 2018 manomboka amin’ny 6ora hariva Malagasy.

I Angleterre no nampiditra ny baolina voalohany omaly tamin’ny alalan’i Trippier ary nosahalain’i Croatie tamin’ny alalan’i Perisic (68’). Ny baolina matin’i Mandzukic (109’) no niantoka ny fandresen’i Croatie. Nirimorimo ny lalao omaly, nifamaliana ny fanafihana, tsapa tamin’ny fomba filalao anefa fa natanjaka ara-tsaina kokoa ny Croate ary dia izao nibata fandresena izao. Ny sabotsy 14 jolay dia i Belgique sy Angleterre izany no hiady ny laharana faha-3 any amin’ny kianjan’i Saint-Petersbourg manomboka amin’ny 5 ora hariva Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT