Sport

Lalao BAREA - ETHIOPIE Anio zoma no hivarotana ny tapakila


  • Zoma 15 Novambra 2019

Niova hevitra indray ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra ka nambarany tetsy Mahamasina tamin’ny alalan’ny filohany,

 

 

 

 omaly alakamisy 14 novambra 2019, fa hamidy anio zoma 15 novambra manomboka amin’ny 10 ora maraina ireo tapakila miisa 18 000 hidirana eny amin’ny Gradin hijerena ny lalaon’ny Barea sy Ethiopie rahampitso sabotsy. Eny amin’ny kianjan’i Makis Andohatapenaka, Coliseum Antsonjobe sy eny amin’ny Guichet Palais des Sport Mahamasina no hamidy izany.Ferana ho 3 ny tapakila azon’ny olona iray vidina. Tsy hisy tapakila hamidy intsony noho izany rahampitso sabotsy andron’ny lalao. Ny vavahady ao Mahamasina kosa hivoha amin’ny 6 ora maraina amin’io andron’ny lalao io ary hidiana tsy azo hidirana intsony manomboka amin’ny 12 ora antoandro. Mpitandron’ny filaminana (zandary sy polisy) miisa 1500 ho karamaina tsirairay avy no hiantoka ny filaminanana. Maillot miloko maitso no hanaovan’ny Barea rahampitso.

 

Ntsoavina Evariste

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT