Lalao ASSCA Avaradrano Tonga eo amin’ny 1

2-dalana ny Foot à 11 eny Ankadikely


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Taorian’ny lalao natao teny Ankadikely tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nahitana ny fandresen’ny Fermata Amboditsiry ny Irfc Ilafy 2-1 ary hamerenana amin’ny manaraka ny lalaon’ny 3Fa Avaradrano sy ny Ezama

 Andrefan’Ambohijanahary dia fantatra fa hotontosaina ny sabotsy 6 jona ho avy izao ny lalao 1/2-dalana “Foot à 11” karakarain’ny ASSCA Avaradrano ho an’ny sokajy sénior : 12:00-11 Frères # Fca ary amin’ny 2:30-Audi # Irfc. Eo amin’ny lalao “Foot  à 7 sy à 9” tontosaina eny Antanandrano kosa dia hiditra amin’ny andro faha-4 ny fifaninanana andiany faha-XIV. Ny zavatra tsikaritra amin’ity fifaninanana karakarain-dry Nirina Philibert ity dia mitombo hatrany ireo sokajy zandriny  mandray anjara, ry zareo koa moa hentitra eo amin’ny fitsipika mifehy ny fifaninanana toy ny hoe tsy mahazo milalao ireo mpilalao efa milalao ao amin’ny DIVISION I , eo ihany koa ny resaka hosoka amin’ny taonan’ny mpilalao. Matoa nasiana ny sokajy rehetra,  hoy ry zareo mpikarakara dia mba hampihenana ny hosoka hataon’ireo mpitantana club tsy mieritreritra ny hoavin’ny tanora sy ny baolina kitra 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT