Sport

Lalao ASSCA Avaradrano Henjana ny fampiharana ny lalŕna


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Tapitra hatreo ny fandraisana anjara ho an’ny klioba SMM sokajy véteran amin’ny fifaninanana foot ŕ 07 sy foot ŕ 09 karakarain'ny Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano, eny amin’ny kianjan’ny club 3FA Avaradrano eny Antanandrano, rehefa tsy tonga niatrika lalao roa izay tokony nataony

 . Ity fifaninanana ity moa dia natokana ho an’ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 , 20 taona, ny senior sy véteran ary ny vehivavy. Ka mazava tsara ny fitsipika mifehy ny fifaninanana fa rehefa tsy tonga miatrika lalao roa mifanesy na tsy mifanesy dia esorina tsy mahazo manohy fifaninanana intsony. Hitohy ny Alahady 12 juillet 2015 ho avy izao ny andro fahasivy amin’izany koa dia mbola mampatsiahy antsika klioba rehetra mandray anjara ny mpikarakara mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fitsipika mifehy ny fifaninanana. Hanomboka amin’ny 8ora maraina ireo lalao amin’io andro faha-9 io hoan’ny sokajy vétéran, amin’ny 9 ora ny an’ny sokajy sénior sy ny sokajy U 13.

Voka-dalao tamin’ny andro faha-8 ;

Sokajy senior : CLASSIC (0) – (0) MAPUTO ; PROMOTION (2) – (4) FIZAFA ; CLASSIC (4) – (3) 3FA ; PROMOTION (3) – (3) FAMILLE ; SOAVINTA (3) – (1) TARATRA ; SOAVINTA (1) – (0) IFC ;

 Sokajy véteran : FCVB (2) – (1) TANC ; FC PAPA (0) – (2) RAVINALA ; SMM (0) – (3) FCM ; LMA (3) – (1) COUSIN ; SMM (0) – (3) ; ANKOAY (3) – (0) AFCAM

 Sokajy 15 taona : SUPER STAR (2) – (3) EZAMA

Sokajy 13 taona : 3FA (1) – (0) AMTM ; KAMBANA (1) – (0= BAMACO

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT