Sport

Lalao ASSCA Avaradrano Fantatra avokoa ireo ekipa andiany faharoa tafita amin’ny famaranana


  • Alarobia 13 Mey 2015

Fantatra ny avokoa taorian’ireo ankatoky ny famaranana natao teny Antanandrano tamin’ny alahady 10 mey teo ireo ekipa sokajy U 10, U 13, U15, U17, U 20, Sénior sy Vétéran ary Vehivavy hanampy ireo efa tafita tamin’ny andiany voalohany tamin’ny 3 mey, dia ny LA FERMATA Amboditsiry, AMTM, SUPER STAR, 3FA U 20 sy Vehivavy ary Vétéran, LPSAT .

 

 Ny Alahady 17 mey 2015 ho avy izao no hanatanterahina ny lalao famaranana ho an’ny sokajy 10 sy 20 taona ary ny senior sy ny veteran , raha ny Alahady 07  juin 2015 kosa ny  an’ireo sokajy ambiny dia ny 13 , 15 , 17 taona ary ny vehivavy. Mialohan’ireo famaranana amin’ny alahady izao dia hisy ny fanokafana ny « Tournoi Foot à 07 sy Foot à 09 » andiany faha-XIV.

Eo amin’ny lalao « foot à 11 » sokajy U 15 sy U 17 tontosaina eny Ankadikely Ilafy kosa, mbola karakarain’ny ASSCA Avaradrano ihany dia tafita hiatrika ny lalao ankatoky ny famaranana ny 11 FRERES Ankadikely sy ny FCA Ankadikely rehefa nanilika avy ny MAXI Analamahitsy sy ny 3FA B Avaradrano tamin’ny sabotsy teo .Miandry izay tafita amiin’ny ampahavaolon-dalana faharoa ny sabotsy 16 Mai 2015 izao ka hihaonan’ny IRFC Ilafy sy ny SODEAM Ankorondrano andaniny ary ny 3FA Avaradrano sy ny AUDI  Antanandrano ankilany.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT