Sport

LALAO ASIEF


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Tontosa omaly zoma 10 aogositra 2018 tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ireo lalao famaranan’ny taranja volley ball sy basket ball Analamanga.

Voahosotra ho tompondakan’ny volley ball Asief Analamanga ny ekipan’ny SENAT nandresy ny MDN seta 3 noho 2. Tompondaka basket ball sokajy veteran ny PRM nandresy ny PRIMA 68-53, sokajy vehivavy SANTE 41 – 39 MPAE, sokajy jeune UA 44-43 MCPASP.


 

SESAM

Mbola misy 2 andro, anio sabotsy 11 sy rahampitso alahady 12 aogositra, no hahazoana mitsidika an’ilay hetsika karakarain’ny SEHO, ny SESAM « Sports Extrêmes et Salon des Arts Martiaux » andiany voalohany etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Na dia somary nangatsiatsiaka ihany aza ny andro dia efa nahatratra nanodidina ny 300 tany ho any no tonga nitsidika ity hetsika ity ary tena liana tamin’ireo zava-naseho teny an-toerana avokoa.


 

ATLETISMA

Voahosotra ho tompondakan’i Europe amin’ny hazakazaka 400m misy fefy, omaly zoma 10 aogositra, ilay teratany Suisse, Léa Sprunger. Vitany tamion’ny fe-potoana  54''33 io halaviran-dalana io ka resiny tamin’izany ilay Ukrainiana Anna Ryzhykova (54''51) sy ilay Britanika Meghan Beesley (55''31).


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT