Lalao ara-pirahalahian’ny Barea

Mampiteny ny moana ny vidim-pidirana…


  • Zoma 15 Martsa 2024

Hanao lalao ara-pirahalahiana ny Barea mandritra ny fotoana natokan'ny FIFA ho amin'izany.

Hihaona amin'ny Burindi ny Barea ny 22 marsa amin'ny 1 ora tolakandro izao etsy Mahamasina ary handray indray ny Rwanda indray amin'ny 4 ora ny 25 martsa. Tena tsara aloha izao fandraisana andraikitra izao na dia firenena tsy dia manao ahoana aza no hifanandrina satria na i Rwanda na i Burindi dia mbola any ambanintsika amin'ny filaharana na CAF io na FIFA.Tsy midika anefa izany fa tsy ilaina io. Fa ny mampanahy kely dia ireo efa milaza fa tsy ho avy toa an'i Rayan Raveloson, Loic Lapoussin, Marco Ilaimaritra, Teva Gardies, Sayha Seha, Francis Coquelin ary Kenny Lala.Amin'ny saina tsy miangatra anefa dia tokony ireo no tomoon-toerana afatsy i Teva Gardies izay tena tsy ampy lalao. Inona izany no dikan'ireo lalao ireo raha i Kendji Van Boto irery no Rakotovazaha ao anatiny.Sa fanomezan-danja ireo toto-tanana bande hanao CHAN satria dia i Berajo sy Tsiry na dia tsy milalao aza. I Nina koa mbola mety hojoro ihany raha mijery tsy miangatra ny mpanazatra. Tendry sy Andy ary Tantely avy ao amin'ny Disciples aloha no ao anaty lisitra miaraka amin'ny zanak'i Dada, Tony Elgeco, sy Jaina tompom-baolina ao amin'ny CFFA.Raha milaza tany Mahajanga ve i Roro sy Huguon dia ahita hoe manana ny toerany i Veve sy Dax ary Donga ao amin'ny Fosa Juniors.Asa aloha fa rehefa tsy tonga ireo andrarezina dia tokony manamboatra ny Barea CHAN. Ny tena olana amin'ireo andro roa ireo anefa dia ny fidangan'ny vidim-pidirana izay 10000 ariary ho an'ny valala tsy mandady harona. Vary firy kilao izay hakepoka adin'ny efatra eny Mahamasina miampy ny fodiana alina. Raha mba te ho eny amin'ny tribune indray dia 3 alina ny eo ambany raha 5 alina ny eo afovoany. Iray tapitrisa ariary kosa ny seza volamena.Mety ahazo olona ihany anefa satria tena mbola betsaka ireo tena tia Barea saingy amin'ity indray mitoraka ity dia mety hiady mivady satria ny ankamatoan'ny olona efa mihinan-kanina any ambany foitra ary dia mionona amin'ny sosoa be rano.Fa rehefa tiana izay anefa dia efa tey voasakana satria ny artista aza tsy menatra manao fidirana 300 000 ariary.Dia lasa pouf ilay PAF eny amin'ny peta-drindrina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT