Lalao ara-pirahalahiana

Nandresy 2-0 an’i Guinée Equatoriale ny Barea


  • Talata 18 Novambra 2025

Fahombiazana no azon’ny Barean’i

Madagasikara tao anatin’ny lalao ara-pirahalahiana tafiditra anatin’ny « fenêtre Fifa » omaly 17 novambra tany amin’ny Kianja Stadyum Isim, Antalya Turquie.Taka lavitra avy tany ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana no nanokafan’ny Barea ny isa tamin’ny alalan’i Johan N’zi teo amin’ny minitra faha-30, ary mbola nampian’i Eshan Kari indray roa minitra taorian’izay, rehefa nisy « coup franc » natolotra an’i Hakim, ary sy nalatsany ary notsenain’io vodilalaharana Malagasy io, ka nampikobana ny harato. Na teo aza ireo lesoka, tsikaritra ho nanana fahatokisan-tena tsara avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalaontsika, fa isan’ny tena niavaka i Sandro Tremolet teo amin’ny fiarovan-tena, ary nahavita nanampy tosika ny fanafihana tany aloha. Tafiditra tsara ihany koa ny mpiandry harato Jordan Dupire, izay nahasakana baolina nahatahorana tsy latsaky ny telo, indrindra fa ny fivoahana teo amin’ny faha-79 minitra rehefa nanao tolotra tsy tonga volana ny vodilaharantsika, ka voatsaingoky ny Guinnéen ; ny daka lavitry ny mpifandrina teo amin’ny faha-83 minitra,… Tahaka izany ihany koa ry Rayan sy Nicolas ary Rado izay nanakorontana ny fanafihana nentin’ny mpifanandrina. Nahomby ny Barea, saingy betsaka ihany koa ny lesoka mila harenina. Anisan’izany ny fahadisoana matetika teo anoloan’ny faritra tsy azo ivalozana. Nisy aza saika maty mihitsy ny « coup-franc » an’ny mpifanandrina teo amin’ny faha-40 minitra fa voasakan’ny Jordan Dupire. Maromaro ireo mpilalao izay tsy afaka niatrika ny lalao toa an’i El Hadary Raheriniaina, Andy Pelmard, Njiva Rakotoharimalala, Warren Caddy, Clément Couturier,… saingy afaka nahazo vokatra isika. Azo hanatsarana ny ho avy ny vokatra izay zava-dehibe na lalao ara-pirahalahiana aza no natao. Zava-dehibe amin’ny fanasokajian’ny FIFA ihany koa ny lalao anatin’ny « fenêtre Fifa » tahaka izao, na dia ambany kokoa noho ny fifaninanana ofisialy (toy ny CAN, Coupe du Monde, na qualifiers) aza ny lanjany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT