Sport

Lalao ara-panatanjahantena Sady mampitambatra no manabe ireo tanora


  • Talata 18 Aprily 2023

Tena ilaina ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny tanora. Sady manokatra ny sainy mantsy izany no manampy azy ireo hahay hifandray sy hifanerasera amin’ireo namany ihany koa.

Hahafahana misoroka zavatra maro loha ny fisian’izany raha araka ny fanazavan-dRaboanary Tantely tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Antsobolo tamin’ny mpanao gazety omaly. Tena zava-doza mananontanona ireo tanora eto amintsika mantsy ny fiaritahan’ny zava-mahadomelina raha vantany vao midonanam-poana sy tsy manao na inona na inona izy ireny. Ho azy ireo dia tratrany ny tanjony tamin’ilay fifaninanana basket baolina “ Mibala tournament” izay nanomboka omaly. Tanora mpianatra avy amin’ny oniversite maro eto an-drenivohitra no nandray anjara tamin’izany ahitana ekipa 30 isa. Haharitra roa herinandro eo ho eo ny fifaninanana raha tsiahivina.

Pati

Legende : Nandritra ny fanokafana omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT