Lalao ara-panatanjahantena an-tsekoly

> Hotanterahana manomboka ny 25 aogositra izao ny “Fandembaka”


  • Alarobia 21 Aogositra 2013


Vao manomboka ny fotoam-pialantsasatra dia raikitra ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly any amin’ny Foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro. “Fandembaka 2013” no anarana isaloran’izany ka any amin’ny Cisco Andilamena no hanatanterahana azy io. Ho ambohipihaonana ny renivohitr’Antanosimboahangy manomboka ny faran’ity herinandro ity. Nisy ny fidinana ifotony omaly nataon’ny lehiben’ny foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro, Ratovotahaka Miandravola, nijerena ny pitsopitsony rehetra hahafahana manatontosa an-tsakany sy an-davany io “Fandembaka 2013” io. Fantatra fa ireo ankizy misongadina mandritra io fifaninanam-paritra io no hisolotena ny Foibe fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro amin’ny fifaninanana nasionaly izay hotanterahana any Antsirabe amin’ny volana septambra ho avy io.

 Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT