Sport

Lalao andran’ny Barea Nisongadina ireo mpilalao avy eto an-toerana


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Satria moa tsy nahazo lalao fanomanana hifanandrinana amina ekipam-pirenena hafa ny Barean’i Madagasikara ao anatin’izao fiomanana amin’ny

 

 fifanintsanan’ny tompondaka eran-tany izao dia ireo 29 mirahalahy voahantso sy afaka namaly ny antson’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra, Eric Rabesandratana, ihany no nozaraina 2 hanao izay lalao fitsapana izay nandritry ny 30 minitra mizara 3 tamin’ity faran’ny herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Odeam Rakoto, etsy Ambohidratrimo. Efa azo nitarafana zavatra maro ny vita rehetra miaraka amin’izay lalao izay, raha ny fanazavan’ny mpanazatra. Tsikaritra ho nivoatra ireo mpilalao avy eto an-toerana ary saika ireo mpifaninana anaty Pro league mihitsy aza moa no namono baolina raha mijery ny lalao ny sabotsy teo fotsiny, izay nandresen’ny Barea A ny Barea B tamin’ny isa 4 noho 2. Nanokatra ny isa teo amin’ny faha 15 minitra, ohatra, ilay lohalaharan’ny Jet Kintana, ho an’ny Barea A. Ny Barea B moa no nampidi-baolina voalohany teo amin’ny faha 9 minitra tamin’ny alalan’ilay kintan’ny Union sportive sainte-marienne, Fabrice Angio Rakotondraibe. Hakim Abdallah, izay milalao atsy Belzika, aza tsy nahafaty penalty nanoloana ny zandrikelin’ny PSG, Mathyas Randriamamy, raha tsy nanaraka izany tamin’ny loha teo amin’ny minitra faha 50 ho an’ny Barea A. Nanampy izay isa izay taty amin’ny minitra faha 64 I Lalaina ary namarana ny fetin’ny ekipa A teo amin’ny minitra faha 68 moa I Njiva Rakotoharimalala, milalao any Thailand. Mbola mpilalaon’I Jet Kintana dia I Doddy Rakotoharisoa kosa avy eo no nampihena ny elanelan’isa ho 4 noho 2 teo amin’ny minitra faha 75.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT