Sport

Lalao ampahavalon-dalan’ny Barea Hisy Fiaramanidina hitondra ireo mpijery…


  • Talata 02 Jolay 2019

Tafita tany amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny soso-kevitra maro samihafa mahakasika fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy any Egypta amin’ny lalao ampahavalon-dalana any Egypta ny alahady 7 jolay izao.

 

Nilaza ny ho avy hanatrika any ny filoham-pirenena Malagasy taorian’ny fandresena miezinezina nanoloana an’i Nizeria. Aza mandeha irery any Egypta ianao Prezida fa betsaka ny mpitia mpanohana Barea vonona hameno ity fiaramanidina sy “tribune” banga be ity. Asaivo manao sidina manokana mandroso sy miverina amin'ny vidiny tsotra tsy mamono antoka ny Air Madagascar ny alahady 7 jolay izao miala amin’ny 5ora maraina dia mody rehefa vita ny baolina. Azo atao tsara mihitsy izany. Aza asianareo resaka politika ny fanatanjahantena…. Maro ny soso-kevitra mitovitovy amin’izany, ka nisy aza mpandraharaha nilaza fa mahita fiaramanidina raha tsy mety ny Air Madagascar fa ny fanjakana kosa no manamora ny fidirany eto. Nanapa-kevitra ary ny fanjakana fa hisy fiaramanidina manokana avy amin’ny Air Madagascar mahazaka olona 470 hihazo an’i Egypta amin’ny sarany mirary 2 200 000Ar (11 000 000Fmg) ny saran’ny fiaramanidina ho an’ireo izay te handeha, ka tafiditra ao ny fikarakarana ny Visa, saran-dalana mandroso sy miverina, sakafo. Mety ho ilay fiaramanidina goavambe A380 vao nigadona omaly teto an-tanindrazana no hitondra ireo Malagasy handeha hanohana ny Barea, raha ny feo mandeha.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT