Sport

Lalao amin’ny sabotsy Vonona ny Barea sy ny mpanohana


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Horakoraka, hafaliana, fanantenana no nisoritra teny amin’ny endrik’ireo mpankafy baolina kitra Malagasy tonga tetsy Mahamasina omaly tonga nanatrika ny fanazaran-tena nataon’ireo mpilalao miomana fatratra amin’ny lalao goavana hifandonana amin’i Ethiopie ny sabotsy ho avy izao.

 

 Vao fanazaran-tena dia efa rakotra vahoaka sahady i Mahamasina omaly naneho fa miombo-po sy mientana tanteraka ho fanohanana ny ekipa Malagasy. Mitohy ny fientanana nateraky ny CAN 2019, ary miandrandra hatrany ny Barea ho lasa lavitra ny rehetra. Izy ireo rahateo hatreto no hany tokana tena mampiray sy mampientana ny Malagasy tsivakivolo, ary azo antoka fa ho rakotra tanteraka i Mahamasina ny sabotsy 16 novambra izao. Inoana fa ho feno tanteraka ny mpilalao anio, raha 5 no tsy afa-niatrika fanazaran-tena omaly, dia ny kapiteny Abel Anicet, Njiva, Rayan, Morel, Ibrahim Amada. Omaly maraina vao afaka niainga avy tany Frantsa noho ny olan’ny sidin’ny Air Madagascar izy 4 lahy, raha toa ka nigadona an-tanindrazana kosa i Ibrahim Amada, ary ao anatin’ny heriny tanteraka.  Nohamafisin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis, fa tsy afaka hilalao ary tsy ho avy eto Madagasikara kosa i Marco Ilaimaharitra noho ny ratra mafy nahazo azy, ka tsy afaka hiatrika ny fifandonana amin’i Ethiopie sy Niger, saingy miombom-po amin’ny ekipam-pirenena. Etsy an-kilan’izay, maniry sy mangataka ny handefasana mivantana ny lalao amin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny vahoaka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT