Sport

Lalao amin’ny 30 martsa Mety tsy ho afaka i Métanire


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Manana lalao miisa 4 voalahatra ao anatin’ny savaranonando na “Pré-saison” amin’ny MLS (Major Soccer League)

 

 any Etazonia ny Minnesota United misy ilay mpilalaon’ny Barean’I Madagasikara Romain Métanire. Ny 27 martsa dia hifandona amin’ny Charleston Battery, ny 31 martsa hifampitady amin’ny Colombus Crew, ny 03 aprily dia hifandrina amin’ny FC Cincinnati, ary ny 09 aprily kosa ny fihaonana eo amin’ny Minnesota sy ny Orlando City SC. Hanomboka ny 17 Aaprily kosa ny tena fifaninan’ny MLS. Araka ny fepetra eo anivon’ny fifaninanan’ny MLS, dia tsy maintsy mitokana na “en quarantaine” mandritra ny 7 andro ny mpilalao, hatao fitsirihana ara-pahasalamana, hatao fitiliana mialohan’ny fanombohan’ny fanazaran-tena iraisana, izay heverina hatao anio 08 martsa. Etsy ankilany, isan’ireo mpilalao 30 nantsoina handrafitra ny Barea amin’ny lalao roa dia ny fifanandrinana amin’i Ethiopie ny 24 martsa sy ny 30 martsa handraisana an’i Niger any Barikadimy i Métanire. Mifanitsaka tanteraka ireo fandaharam-potoana, ka mbola baraingo hatreto ny hahafahany mandrafitra ny Barean’i Madagasikara na tsia. Isan’ny ain-dehiben’ny ekipam-pirenena izy, ary ahiana ny fahabangana lehibe raha mbola ho votsotra ihany koa ny tenany. Efa tsy afaka ny hilalao mantsy i Thomas Fontaina, mbola baraingo ny momba an’i Jeremy Morel na ao anaty lisitra aza. Mety hanahirana io, saingy inoana fa efa hitan’ny mpanazatra ny fomba hiatrehana izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT