Sport

Lalao Afrikanina Tsy nitsanga-menatra i Nativel, Dina ary Olga


  • Zoma 18 Septambra 2015

Saika nahavita nandingana ny fihodinana voalohany avokoa ireo atleta solontena malagasy niakatra kianja omaly alakamisy tany amin’ny Lalao Afrikanina andiany fah-11 atao any Congo Brazzaville

. Solontena tokana moa ny an’ny tenisy ambony latabatra amin’ny alalan’i Jonathan Nativel, mpila ravinahitra avy any Frantsa izay hany nahazo medaly volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy 2011 tany Seisela. Tafita hiatrika ny 1/16-dalana anio ny tovolahy. Tamin’ny 1/64-dalana izy nandavo teratany namibianina tamin’ny seta 4/0 (11/1, 11/0, 11/4, 11/7). Tamin’ny 1/32-dalana kosa nanilika an’ilay  Togoley izay lah-10 aty Afrika tamin’ny seta 4-1.

 Ho an’ny taranja tolona dia lavo tamin’ny manasa-dalana omaly i Dina Tsilavina ao amin’ny sokajy 48kg, resy nanoloana teratany nizerianina ary hiady ny laha-3 na ny medaly alimo amina teratany kameroney. Ho an’ny atletisma, tafita niatrika ny famaranan’ny hazakazaka 400m misy fefy omaly hariva Razanamalala Olga. Ny alarobia hariva teo izy no tafavoaka tamin’ny manasa-dalana ary nahavita fotoana 1.00.30. Fa nanamarika ny andro omaly koa no nanendrena an-dRakotozafy Rosa izay lehiben’ny delegasiona malagasy sady tompondakan’i Afrika fahiny, nanolotra ireo medalin’ny 100m misy fefy sokajy vehivavy.

 

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT