Lalao Afrikanina- Rugby

Nafaizin’ny Makis ny Nizerianina


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Nandresy mazava an'i Nigeria ireo Makis vehivavy omaly tany Accra.

Lalaon'olona fito moa no natrehina ary dia nivadika fampisehoana satria tsy nijanona ny Malagasy raha tsy 20 noho 5 ny isa. Voaporofo izao fa tena tokony nandeha tany ny rugby vehivavy tsy tahaka ny basket 3x3 izay resy indroa sahady ny andro voalohany ny alatsinainy teo. Misy tsy mazava ihany izany fomba nifatenana iteo taranja tsy araky ny filazana hoe ireo mety mahazo medaly ihany no mandeha fa tsy ampy ny vola. Ny judo izay dia nisy efa-dahy sy efa-bavy nefa i Laura sy Natacha irery no niambozona medaly.Ohatry ny misy taranja nitongilanana raha izao satria misy ireo any Accra nefa tsy mahafeno ny fepetra. Fepetra inona tokoa anefa toa ny Ministeran'ny Fanatanjahantena ihany no nandidy nanapaka fa tsy niarahana tamin'ireo teknisianina.Ny baolina kitra U23 izao dia voahilika nefa mba efa niezaka ihany ny UFICASM ary noeritreretina ho any amin'ny Lalao Olimpika mihintsy aza saingy izao no nanaovan'ny manampahaizana azy.
Clément RABARY

Ampahany tamin'ireo mpanohana ny rugby tany Accra omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT