Sport

Lalao Afrikanina – Congo Brazzaville Tsy hanatrika lanonam-panokafana indray ireo atleta Malagasy


  • Zoma 04 Septambra 2015

Hotanterahina anio any Congo Brazzaville ny lanonam-panokafana ny Lalao Afrikanina andiany faha-11.

 

 Io firenena io moa no nandray ny andiany voalohany ary izao miverina ao indray ny Lalao. Ny 4-19 septambra no hizoran’ny fifaninanana izay ahitana fandraisan’anjarana firenena 38. Ho antsika Malagasy dia mbola ny andiany voalohany amin’ny delegasiona no lasa izay nisy ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet, ny lehiben’ny delegasiona malagasy, Rakotozafy Rosa izay talen’ny fanatanjahantena federaly ary ny lehiben’ny iraka, Ramanantsialonina Andry sady filohan’ny federasiona malagasin’ny taekwondo. Mbola mihisatra be kosa ny fiaingan’ny delegasiona ambiny izay misy ireo atleta 23 avy amina taranja 10 tena hiatrika ny fifaninanana. Araka ny vaovao azo dia tokony ho nanainga halina handeha amin’ny Kenya Airways ny ampahany faharoa amin’ny delegasiona ahitana ireo efa hiatrika fifaninanana ny faran’ny herinandro izao. Anisan’izany ireo mpibata fonjamby telo mianadahy. Efa tokony ho nandeha koa ny mpilalao tsipy kanetibe efa-dahy sy mpingaly karate. Ireo olobe ihany izany no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny lanonam-panokafana anio. Hita fa tsy mety voafehy ny famahana olana fa misy lesoka foana vokatry ny fitavozavozana, alokalofan’ny tsy fananam-bola lava. Raha izao no mitohy dia hisy atleta tsy mila mandeha indray rehefa tara ny andron’ny fifaninanana tokony hatrehiny. Toy izao ny isan’ny solontena malagasy isan-taranja: taekwondo (2), atletisma (2), handisport (1), tenisy (4), tenisy ambony latabatra (1), fibatana fonjamby (3), tolona (3), tsipy kanetibe (4), judo (2), karate (1). Efa mila hovaina mihitsy angamba ilay fomba fiteny ka hatao hoe “Zara aza afaka mandray anjara kely” fa tsy ilay hoe: “Ny fandraisana anjara no zava-dehibe”, ny vokatra efa tsy lazaina intsony.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT