Sport

Lalao Afrikanina andiany faha-12 Nosokafana ofisialy tany Rabat Maroc omaly


  • Talata 20 Aogositra 2019

Nosokafana ofisialy tao Rabat Maroc omaly alatsinainy 19 aogositra ny andiany faha-12 amin’ny lalao Afrikanina andiany faha-12 izay tsy hifarana raha tsy ny 31 aogositra 2019.

 

Taranja 26 ahitana fifaninanana 29 no hatrehan’ireo atleta mahatratra 6000 mahery avy amin’ny firenena Afrikanina 54 mandray amin’ity fifaninanana ity ka ny 4000  amin’ireo dia ao  Rabat avokoa no mitoetra, anisan’izany ny atleta Malagasy.  8 volana no nikarakaran’ny Maraokanina ny fandraisana an’ity fifaninanana ity rehefa nisintona ny fikarakarana izany tamin’ny ora farany noho ny resa-bola i Guinée équatoriale. Ny tanànan’i Rabat, Salé, Témara, Casablanca, Benslimane et El Jadida no handray an’ireo amin’ny ankapobeny.

Marihana ihany fa efa nanomboka tamin’ny sabotsy teo ny fifaninanana sasany toy ny eo amin’ny taranja Judo izay efa nahazoan’i Algerie medaly 9 sahady (2 volamena, 2 volafotsy ary  5 alimo) tao amin’ny  “Palais des sports Moulay-Abdallah de Rabat Maroc”. Tamin’ny alahady kosa i Gabon dia nandrombaka medaly volamena 2 ihany koa. Teo amin’ny andro voalohan’ny lalao baolina kitra lehilahy kosa  dia toy izao ny vokatra azo : Vondrona A : Nigeria 1 – 1 Burkina Faso ;  Maroc nandresy an’i Afrika Atsimo tamin’ny Forfait ; Vondrona B : Sénégal 0 – 0 Mali ;   Burundi 1 – 2 Ghana . Isaky ny 4 taona no hanatanterahana an’ity lalao Afrikanina ity ka tany Congo Brazzaville no nanatanterahana ny andiany voalohany tamin’ny taona 1965 ary efa fantatra kosa fa i Ghana no handray ny andiany faha-13 amin’ny 2023.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT