Sport

Lalao Afrikana Navotsotr’i Zarah ny medaly volamena


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Votsotra ny hany medaly volamena tokana nandrandrain’i Madagasikara any amin’ny Lalao Afrikanina andiany fah-11 atao any Congo Brazzaville.

Lavo teo amin’ny lalao famaranana tamin’ny seta 2-1 (3/6, 7/5, 1/6) tenisy mantsy, omaly alakamisy, Razafimahatratra Zarah raha nifanandrina tamin’ilay Ejipsianina Sandra Samir, izay tompondakan’i Afrika lefitra 2015 amin’ny sokajy U18 ary lah-511 manerantany. Marihina anefa fa nitarika 40-0 matetika i Zarah tamin’ny seta fahatelo farany fa namotsotra natetika ihany koa. Lesoka ny fitozoana ary tsy nanana mpanazatra rahateo izy miatrika izao fifaninanana izao nefa tena zavadehibe izany amin’ny fihaonana goavana toy itony. Atleta roa indray no hiakatsehatra anio alakamisy dia i Elodie Embony Vanessa izay hifaninana amin’ny hazakazaka 200m sy Razanamalala Olga hiatrika ny 400m misy fefy.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT