Sport

Lalao Afrikana Hiady medaly volamena i Zarah anio


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Mananontanona ny medaly volamena ho an-dRazafimahatratra Zarah izay solontena malagasy tokana amin’ny taranja tenisy any amin’ny Lalao afrikanina andiany fah-11 atao any Congo Brazzaville. Resiny teo amin’ny manasadalana omaly ilay kongoley Grace Denga, 6/4, 6/3

. Tamin’ny ampahefadalana kosa i Zarah nanintsana mora foana an’ilay Ejipsianina, Mourah Ishak, 6/0, 6/2 ny alatsinaniny teo. Anio maraina i Zarah no hiatrika ny lalao famaranan’ny olontokana vehivavy ary hifanandrina amin’ilay ejipsianina Sandra Samir izay nanintsana an’ilay zimbaboeanina, Valerie Bhunu; 4/6, 6/4, 6/1 tamin’ny ankatoky ny famaranana. Marihina fa ity ejipsianina ity dia manana filaharana manerantany fah-511 ary tompondakan’i Afrika lefitra tamin’ity taona ity ao amin’ny sokajy U18. Raraka avy hatrany tamin’ny adiny voalohany kosa ny alatsinaniny teo i Andriantiana Breanda, solontena tokana malagasy amin’ny judo ao amin’ny sokajy -57kg. Nandresy ity hany malagasy nahazo medaly volamenan’ny Lalaon’ny Nosy tany la Reunion ity ilay Ivoariana Zoulehia Abzetta Dabonne izay niravaka ny medaly volafotsy tamin’io sokajy io rehefa resin’ilay Alzerianina Rtiba Triket tamin’ny famaranana. Ho an’ny atletisma dia raraka teo amin’ny manasadalana i Elodie Embony Vannessa. Lah-4 no nisy azy tamin’ny vondron’ny manasadalana nisy azy ka 11’94 fotoana vitany tamin’ny hazakzazaka 100m, tsy nahavita ilay 11’76 tamin’ny Lalaon’ny nosy akory. Mbola hifaninana amin’ny 200m moa ny tovovavy ny alakamisy izao. Tsiahivina 24’16 no fotoana tsara indrindra vitany amin’io halavirana io. Ny alakamisy izao koa Razanamalala Olga no hirotsaka an-tsehatra hanao ny hazakazaka 400m misy fefy ka 59’21 fotoana tsara indrindra efa vitany.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT