Lalaina Nomenjanahary na Bolida

Mandray fiofanana amin’ireo andrarezina hatrany


  • Alarobia 13 Martsa 2024

Na dia efa manana ny mari-pahaizana ambony maha mpanazatra

na ny BEF ao Frantsa aza i Lalaina Nomenjanahary na Bolida dia mbola mandray fiofanana amin’ireo andrarezina hatrany. Nandalo tao amin’ny ivotoeram-panofanana izay hitantanany ireo katita kely amin’ny renivohitr’i Frantsa dia ny Paris FC indray, raha ny fampitam-baovaony omaly, ireo mpampiofana mpanazatra matihanina frantsay mirahalahy dia i Robert Pirès sy Vikash Dhorasoo. Izy mirahalahy ireto moa dia efa samy nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay eo amin’ny taranja baolina kitra avokoa. Samy nilalao tao afovoanin’ny kianja tao saingy i Robert Pirès, isan’ny namiratra tao amin’ny klioba sangany anglisy dia ny Arsenal ary i Vikash Dhorasoo kosa nilalao tao amin’ny divizionina voalohany frantsay tao Parisy dia ny Paris Saint Germain na PSG izany. Mifanena aty amin’ny tontolon’ny fanofanana mpanazatra indray izy mirahalahy ireto ankehitriny ary isan’ireo manofana hahazoana izay diplaoma BEF izay mihitsy, raha ny tsara ho fantatra nampitaina hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT