Lalaina Nomenjanahary na Bolida

Mampiseho fa akaiky ireo mpilalao avo lenta


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Nameno ny tambazotran-tserasera Instagram hatramin’ny Facebook indray omaly

ny sarin’i Lalaina Nomenjanahary na Bolida miaraka amin’ilay irakiraka mpiaro malagasy milalao ao amin’ny klioban’ny baolina kitra, Villareal CF, divizionina voalohany ao Espagne, Francis Coquelin. Sady mitazona ny fanamiana na «maillot» isaloran’ity mpilalao ity ao an-toerana moa i Bolida no milaza fa niampy iray indray ny fanamiana azony aranty ao aminy. Raha ny nambarany dia nandritry ny fotoana nivahinianany tany an-tokantranon’ity mpilalao ity no nahazoany izany fanomezana mahafinaritra izany. Nambarany ihany koa fa nafana ny fandraisan’ny fianakaviana Coquelin azy tamin’iny omaly iny. Mampiseho hatrany, na tsy mivantana aza, araka izany, ity lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea teo aloha ity, fa akaiky ireo mpilalao avo lenta malagasy ny tenany ary tena ananany ihany koa ny traikefa amin’ny fifandraisana sy fifantenana na «sélection» ireo mpilalao afaka handrafitra ekipana baolina kitra iray. Heverina ihany koa fa tsindry paingotra ho an’ireo izay tena nanosika ny fametraham-pialany tsy ho isan’ireo STAFF na mpitantana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea intsony ity sary ity ary toy ny milaza fa nanary rantsana na «élément» goavana tao anatin’ny fitantanana ilay Barea ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF sy ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe, manokana, raha namela azy andeha tsy ho isan’izany STAFF izany intsony. Tsiahivina fa efa manana mari-pahaizana iraisampirenena maha mpanazatra ankehitriny i Bolida, amin’izao faha 38 taonany izao. Maha mpanazatra na «coach» sy «entraîneur» moa izany eo ihany, fa eo indrindra, izay maha mpifantina na «sélectionneur» ireo mpilalao avo lenta izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT