Sport

La Pie - Analamanga rugby “Tsy ara-dalàna ny AG nataon’ireo seksiona 3”


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Tsy ara-dalàna ny AG na Fivoriambe nataon’ireo seksiona 3 tamin’ny zoma 24 novambra teo teny Ivandry,

 

 hoy Ravelojaona  Andry La Pie filohan’ny Analamanga rugby, rehefa tsy natrehan’ny ministeran’ny tanora nivantana sady tsy mba nampilazana akory ny ligin’Analamanga tokony hitarika ny fivoriana, hoy izy, fa dia ny Filohan’ny Federasion’ny Rugby Malagasy mihitsy no nitarika izany. Tena efa betsaka loatra ny tsy mety ataon’ity Malagasy Rugby ity ka tsy azo ekena intsony, hoy  i Andry La Pie, ka mba ho voninahitry ny taranja rugby sy ho fampiroboroboina azy fatratra dia manaitra ny sain’ny mpitia lavalava tsy an-kanavaka ny tenako mba ho tonga saina amin’ny zava-misy amin’izay.

Marihana fa tao anatin’ny lalao famaranana “Finale des poules” nihaonan’ny TAM sy 3Fb omaly tetsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena  ka nivoahan’ity farany nandresy 26-19 no nanaovany an’izany fanambarana izany omaly alahady 26 novambra.

 

Ireo vokatra hafa : vehivavy –Jsm 15 – 12 Fanjan’Anjanahary  ; Elite ii Seksiona Vakiniadiana- Tfma 3 – 0 Fitasoa  ; Elite II seksiona Tanà-ville : Rcam 42 – 3 Tfa ; Elite I barrage ;=: XV Familly 16 – 6  XV Oma .

 

 Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT