Sport

«La jeune fille et le ballon ovale » Halefa voalohany eto Madagasikara


  • Zoma 09 Febroary 2018

Hasongadin’ny horonantsary fanadihadiana novokarin’i Doc du Nord ary narindran’i Christophe Vindis niaraka tamin’ny « Association Terres en Mêlées » niforona teto Madagasikara tamin’ny taona 2011 ary tarihan’i Pierre Gony mpilalao rugby fahiny sy mpanazatra tao amin’ny klioban’ny Stade Toulousain any Frantsa ny fiaimpiainana manontolon’i Marcelia,

tovovavy Malagasy zanaka mpanjono avy any Antsepoka tanàna iray ao atsimo andrefan’i Madagasikara. Tovovavy 16 taona i Marcelia nefa efa niteraka zaza 3 taona. Tsy nahita fahombiazana teo amin’ny fiainana izy raha tsy ny fandraisany ny baolina lavalava sy ny taranja rugby vehivavy ho fanoitra teo amin’ny fiainany. Efa nalefan’ny « Association » tany Andafy tao amin’ny televisiona France ö tamin’ny 12 janoary lasa teo ka nanakoako naneran-tany. Amin’ny alahady 11 febroary takariva izao kosa izy ity no halefa voalohany ao amin’ny Alliance Française Toliara eto Madagasikara, hialohavana lalao rugby vehivavy hikatrohan’ny Rugby Academy 4 natsangan’ny “Association Terres en Mêlées” (Tuléar, Mikea Lodge, Ihorombe ary Salary Bay) ho fampiroboroboana an’ity taranja ity any an-tsekoly tahaka izay efa nikarakarany fifaninanana nasionaly teo amin’ny rugby an-tsekoly. Hoentina mitety an’i Madagasikara manomboka eto Antananarivo izy ity manomboka amin’ny volana martsa 2018.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT