Kylian Mbappé

Mety ho afaka hilalao anio…


  • Zoma 21 Jona 2024

Hiaka-tsehatra indray ny Frantsay anio amin’ny 10 ora alina ho an’ny andro faharoa ao anatin’ny Vondrona D.

Hilalao i Kylian Mbappé sa tsia ? Fanontaniana apetraky ny mpanaraka baolina kitra io. Efa niverina an-kianja nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny namany ity kapitenin’ny Frantsay ity izay marihina fa naratra teo amin’ny orony, nandritra ny fifandonana tamin’i Autriche izay nandresen’izy ireo 1-0. « Mety ho afaka hiatrika ny lalao hifandonana amin’i Pays-Basi Kylian Mbappé ! Io no nohamafisin’i Didier Deschamps tamin’ny valan-dresaka nataony ho an’ny mpanao gazety. «Azo atao angamba?», io fehezan-teny voalaza fa nampalaza an’i Patrick Montel nandritra ny Euro 2014 io no nompiasain’ny mpanazatra Frantsay. Hatreto, mitarika ao amin’ny isa 3 ao min’ny Vondrona D i Pays-Bas izay manatombo amin’ny baolina tafiditra (2-1) nanoloana an’i Pologne, raha faharoa amin’ny alalan’ny isa 3 ihany koa i France izay nandresy 1-0 an’i Pologne.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT