Sport

Kung-fu Wisa Voahosotra ho “Grand Maître” i Avoko


  • Talata 20 Aogositra 2019

Tontosa ny alahady 18 aogositra teo teny amin’ny Temple Kung-fu Ambatomirahavavy ny fanosorana an’i Avoko Rakotoarijaona ho anisan’ireo “Grand Maitre de Kung-fu Wisa” maneran-tany.

 

 

Olo-manankaja maro teratany Malagasy sy sinoa no nanome voninahitra ny fotoana. Ara-tantara, nandalo fotoan-tsarotra ny Kung-fu satria nisedra fanenjehana mivaivay ny taona 1985, ka nisy ny maty, naratra, nigadra,… saingy noho ny ezaka nataon’ny mpikambana izay teo ambany fitarihan’ny Grand Maître Avoko, dia tonga amin’izao dingana lehibe izao, hoy ny fanazavana. Ny Grand Maître Pierre Mizael na Pierre-Be no nitsodrano azy, ka ny Renin’i Grand Maître ity no nanolotra ny sabatra midika ho fanolorana fahefana lehibe amin’ny taranja kung-fu. Teo anoloan’ireo mpikatroka an’arivony izay tonga nanotrona ny fotoana no nilazan’i Grand Maître Avoko fa vonona ny tenany hitondra sy hitaiza ny Malagasy ao anatin’ny Kung-fu Wisa ho amin’ny làla-mahitsy hatrany mba hananan’izy ireo fahombiazana amin’ny fiainana satria ny Kung-fu dia tsy daka sy totohondry fotsiny fa fianarana fiainana. Amin’ny naha lanonan-dehibe azy, dia nisy ny fampisehoana na “demonstration”. Ankoatra io dia nambarany fa hihazakazahana ny fanitarana ny ambaindain’ny Kung-fu na eo amin’ny isan’ny klioba na ny fampiofanana. 40 taona nanaovana kung-fu i Avoko amin’izao fotoana izao ka hitohy ny fankalazana amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra. Nomarihiny fa manan-kery eo anivon’ny ITF (International Federation Kung-fu) iny lanonana nanosorana azy ho Grand Maître iny.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT