Sport

Kung Fu Wisa –tompondakan’i Madagasikara Nisongadina ireo mpikatroka avy any amin’ny faritra


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 20 aogositra 2017 ny fiadiana ny ho tompondaka nasionalin’ny taranja Kung Fu Wisa eto Madagasikara miaraka amin’ny Me Avoko Rakoarijaona.

 

 Mpikatroka 74 avy amin’ny ligim-paritry ny Kung Fu Wisa 10 manerana an’i Madagasikara no nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity ka ny 60 teo amin’ny sehatry ny Kung Fu Light na ady mivantana ary ny 14 teo amin’ny Tao Lue na karazana Kata amin’ny taranja hafa. Ny ligin’Itasy no tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana noho ny lozam-piarokodia nihatra tamin’ny delegasionin’izy ireo fa nandray anjara tamin’ny fivoriambe niaraka tamin’ny ministera kosa izy ireo. Mpikatroka niisa 52 no notoloran’ny Fanjakana Malagasy fankasitrahana nosoloin’ny minisitra Anicet Andriamosarisoa tena. Nilamaina tamin’ny ankapobeny ny tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena na dia feno hipoka tanteraka aza. Nambaran’ny teknisianin’ity taranja ity fa niakatra avo dia avo noho ny tamin’ny taon-dasa ny haavo teknikan’ireo mpikatroka avy any amin’ny Faritra ivelan’Antananarivo tamin’ny ankapobeny.

 

Ireo tompondakan’i Madagasikara :

 

Kung Fu Light

 

Vehivavy Open : Randrianirina Avotra (Analamanga)

 

Lehilahy : -55kg : Maherivoatse Ermana (Androy)

                -60kg : Iriavy  Arovandraza Jocelin (Androy)

                 -65kg : Rahaingonirina Nomenjanahary Jean Bosco (Amoron’Imania)                              -70kg : Razafimanantsoa Tafitaniaina (Atsinanana)

                 -75kg : Randrianjanahary Louis Pascal (Amoron’Imania)

                 -80kg : Rakotondrazay Maminiaina Hervé (Analamanga)

                +80kg : Rafanomezantsoa Tokiniainga Valson (Analamanga)

 

Tao Lue (Main Nue)

 

Vehivavy : Rasoarimalala Bernadette (Analamanga)

Lehilahy : Rasamoelina Sylvaina Josoa (Boeny)

Tao Lue (Armes)

Vehivavy : Raùmiliarisoa Georgette (Analamanga)

Lehilahy : Randrianarivo Velontsoa Fidson (Alaotra Mangoro)

 

Ntsoavina Evariste

 

                        

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT