Sport

Kung-Fu Wisa Malagasy Tontosa ny zaikabe 2018


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Nahatontosa ny zaikabe fanaony isan-taona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 19 aogositra 2018 ny Kung Fu Wisa Malagasy tarihan’ny mpandrindra jeneraliny, Grand maitre Avoko Rakotoarijaona.

 

 Tapaka tamin’izany nanoloana an’ireo solontena isam-paritra nahatratra 1 alina tany ho any fa mitohy ny asa amin’ny taom-pikatrohana manaraka, tapaka ihany koa fa hidina ifotony  hampanao “recyclage” 10 andro avy an’ireo Faritra manerana an’i Madagasikara ity mpandrindra jeneraly ity, nifanarahana ihany koa fa na dia tsy olana aza ny fidirana amin’ny lalao iraisam-pirenena hiarahana amin’ny IKF “Federasion’ny Kung Fu iraisam-pirenena” dia hianoka amin’ny famitana tanteraka ny “Temple” eny Ambatomirahavavy  (Trano famakiam-boky sy Esplanade)  aloha ry zareo amin’ity taona ity. Tapaka ihany koa ny hidiran’ny Kung Fu Wisa ao anatin’ny hery lehibe Voromahery hanohana ny kandidà Hery Rajaonarimampianina ary dia nambaran’i Avoko ampahibemaso tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina koa izany. Ireo rehetra ireo dia niaraka amin’ny fanamarihan’ny Kung Fu Wisa ny faha-38 taonany.Natolotra taorian’ny hetsika rehetra ny amboaran’ ireo tompondaka Kung Fu Wisa tamin’ity taona ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT