Sport

Kung-Fu Wisa « Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena… »


  • Talata 24 Janoary 2023

Na dia mikija aza ny orana dia tsy nahasakana ireo mpanao Kung-fu manodidina ny 3000 isa hifamotoana tetsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny Alahady 22 Janoary teo, hoy ny fampitam-baovao.

Lanonan-dehibe ho an'ny federasionin’ny Kung-Fu Wisa sy ny Ligin'Analamanga no natao ka nisy ny fampisehoana teknika na “démonstration’’ nataon'ireo mpikatroka avy ao Analamanga, nisy ihany koa ny fampianarana teknika sy fampianarana "Développement Personnel" nataon'i Grand Maître Avoko izay sady filohan'ny federasionina. Fotoana koa io nanararaotan'ny mpikambana kung-fu Wisa tao Analamanga nifampiarahabana noho ny taona vaovao ho an'ny mpitantana sy ny ray aman-dreny Kung-Fu Wisa ka nisy ny fizarana vatomamy ho an'ny mpanatrika rehetra. Nisy ny jery todika ho an'ny taona lasa izay nahavitan'ny federasionina ny fitetezam-paritra manerana ny nosy ary koa fizarana "Sonorisation Mobile" ho an'ny ligim-paritra tsirairay avy. Ny alahady teo kosa no nanoloran'i Grand Maître Avoko ny solosaina ho an'ny ligin'Analamanga mba hanatsarana ny fomba fiasan'izy ireo ary nanamafy ity filohan'ny federasionina ity fa ho zaraina solosaina toy izao avokoa ny ligim-paritra manerana ny nosy. Vola azo avy amin'ny kitapom-bolan'ny federasionina ihany izany. Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny filoham-boninahitry ny kung-fu Wisa, Sylvain Rabetsaroana. Nanamafy ny Grand Maître Avoko fa hitohy ny fitetezam-paritra ho an'izy ireo ary hamafisina hatrany ny fampiakarana ny haavo teknikan'ny kung-fu Wisa izay efa manana sampana any Eoropa (Frantsa). Nentanina koa ny mpikambana kung-fu Wisa mba handray anjara eo amin'ny raharaham-pirenena amin' ny sehatra rehetra noho ny maha olom-pirenena malagasy azy ireo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT