Sport

Kung-fu Wisa Hahatsiaro ireo maritiorany


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Ny faran'ny herinandro teo no fitsidihim-paritra faha 6 nataon'ny federasionina malagasin’ny Kung-fu Wisa izay notarihin'i Grand Maître Avoko.

Ny faritra Alaotra Mangoro indray no novangian'izy ireo ka Amparafaravola, Tanambe, Bejofo, Ambatondrazaka no nihaonany tamin'ireo mpikatroka Kung-Fu aman'arivony tahaka ny mahazatra. Misy hatrany ny fampianarana, ny toromarika, ary ny fizarana ny fanamafisam-peo enti-tanana na “Sono mobile” mba ho fanatsarana sy fampiroboroboana ity taranja ity isaky ny manao fitsidihana toy izao, hoy ny fampitam-baovao. Ny alahady 31 jolay 2022 kosa no ho tontosaina manerana an'i Madagasikara ny fotoam-bavaka lehibe ho fahatsirovana ny faha 37 taona namonoana sy nitifiran'ny tafi-panjakana an'ireo mpanao Kung-Fu marobe, izany hoe ireo maritioran’ny Kung-fu Wisa, (TTF: 1 aogositra 1985- 1 aogositra 2022) tamin'ny alalan'ny basy aman-tafondro sy ny angindim-by. Maro ny namoy ny ainy, nisy ny naratra, tao koa ireo mpanao Kung-Fu nogadraina sy notanana am-ponja nandritra ny 3 taona (1985-1988). Ho an'Antananarivo dia etsy amin'ny fiangonana Maison Saint Ignace Analamahitsy Androhibe no fotoana ny alahady amin'ny 10 ora maraina. Ho an'i Mahajanga dia ao amin'ny Ekar Katolika Tsaramandroso, ho an'i Mampikony dia ao amin'ny Ekar St Joseph mampikony ary any amin'ny toerana sy fiangonana samihafa isam-paritra. Hisy fanolorana fanampiana sy fankaherezana hataon'ny federasionina malagasin’ny Kung-fu wisa ho an'ireo niharam-boina amin'io fotoana lehibe io. Mitohy hatrany kosa ny fifaninanam-paritra ho an'ireo Ligy manerana ny nosyary mampanantena ny Grand Maître Avoko fa taona hanamafisana orina ho an'ny Kung-fu wisa ity taona 2022 ity ka mitohy tsy an-kijanona ny fitetezam-paritra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT